1 Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana. 

2 Vohay ny vavahady, mba hidiran'ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.

3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. 

4 Matokia an'i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.

5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka. 

6 Hitsahin'ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian'ny mahantra.

7 Voaravona ny lalan'ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra* ny alehan'ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]

8 Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah , no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin'ny fanahinay.

9 Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.

10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.

11 Jehovah , avo ny tananao, nefa tsy jeren'ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin'ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]

12 Jehovah , manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. 

13 Jehovah Andriamanitray , tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao. 

14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy. 

15 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah , Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.

16 Jehovah , nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.

17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah , 

18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.

19 Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin'ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana*, ary ny tany hiteraka ny maty**. [*Na: ando amin'ny anana][**Heb. ny matoatoa]

20 Mandehana, ry oloko, midra ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan'ny fahatezerana.

21 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin'ny fitoerany hamaly ny mponina amin'ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny r izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
